Bokin'ny Deoteronomia 15:5
raha mihaino tsara ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mitandrina hanaraka izao lalàna rehetra izao, izay andidiako anao anio.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 15
Cross References
Leviticus 26:3Raha manaraka ny lalàko sy mitandrina ny didiko ianareo ka mankatò izany,
Deuteronomy 6:2mba hatahoranao an’ i Jehovah Andriamanitrao, hitandremanao ny lalàny rehetra sy ny didiny izay andidiako anao, dia ianao sy ny zanakao ary ny zafinao, amin’ ny andro rehetra hiainanao, mba ho maro andro ianao.
Deuteronomy 26:14Tsy nisy nohaniko teo amin’ ny fisaonako, na nentiko nivoaka teo amin’ ny fahalotoako, na nataoko fahan-kanina noho ny maty; fa efa nihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitro aho ka nanao araka izay rehetra nandidianao ahy.
Joshua 1:7Koa mahereza sy matanjaha tsara ianao, hitandremanao hanao araka ny lalana rehetra, izay nandidian’ i Mosesy mpanompoko anao; aza miala aminy, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia, mba hambinina ianao amin’ izay rehetra alehanao.
Isaiah 1:19Raha manaiky sy mankatò ianareo, dia hihinana ny voka-tsoa amin’ ny tany;