Bokin'ny Deoteronomia 18:15
Mpaminany avy eo aminao, dia avy amin’ ny rahalahinao, tahaka ahy, no hatsangan’ i Jehovah Andriamanitrao ho anao; izy no hohenoinareo;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 18
Cross References
Numbers 12:8Mifanatrika no itenenako aminy, dia amin’ ny fahitana, fa tsy amin’ ny teny saro-pantarina, ary mijery ny endrik’ i Jehovah izy; ka nahoana ianareo no tsy natahotra hanome tsiny an’ i Mosesy mpanompoko?
Deuteronomy 18:18Mpaminany no hatsangako ho azy avy amin’ ny rahalahiny, tahaka anao, ka hataoko ao am-bavany ny teniko, ary holazainy aminy izay rehetra handidiako azy.
Hosea 12:14Mpaminany no nentin’ i Jehovah nitondra ny Isiraely nivoaka avy tany Egypta, ary mpaminany koa no nentina niahy azy
Luke 2:32Dia fahazavana hahazava ny firenena sady voninahitry ny Isiraely olonao.
Luke 10:16Izay mihaino anareo dia mihaino Ahy; ary izay mandà anareo dia mandà Ahy; ary izay mandà Ahy dia mandà Izay naniraka Ahy.
John 1:21Ary izy ireo nanontany azy hoe: Ahoana ary? Elia va ianao? Fa hoy izy: Tsy izy aho. Ilay Mpaminany va ianao? Fa izy namaly hoe: Tsia.