Bokin'ny Deoteronomia 19:15
Raha vavolombelona iray monja, dia aoka tsy hitsangana hiampanga olona ny amin’ izay heloka na ota nataony na inona na inona; fa amin’ ny tenin’ ny vavolombelona roa na telo no hanorenana mafy ny teny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
16Raha misy vavolombelona mampidi-doza mitsangana hiampanga olona ho nanao ratsy,
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 19
Cross References
Numbers 35:30Ny amin’ izay rehetra mahafaty olona, dia hatao maty izay mahafaty, araka ny tenin’ ny vavolombelona; nefa raha vavolombelona iray monja, dia tsy ampy hanameloka hahafaty olona izany.
1 Kings 21:10Dia anangano roa lahy izay tena ratsy fanahy ho eo anatrehany hiampanga azy hoe: Efa niteny ratsy an’ Andriamanitra sy ny mpanjaka ianao. Dia ento mivoaka izy, ka torahy vato ho faty.
Matthew 18:16fa raha tsy mihaino anao kosa izy, dia ento miaraka aminao ny olona iray na roa, mba ho voaorina mafy avokoa ny teny rehetra amin’ ny tenin’ ny vavolombelona roa na telo.
John 8:17Ary voasoratra ao amin’ ny lalànareo fa marina ny fanambaran’ ny olona roa lahy.
1 Timothy 5:19Aza mandray teny hiampangana loholona, raha tsy misy vavolombelona roa na telo.
Revelation 11:3Ary homeko hery ny vavolombeloko roa, ka haminany enim-polo amby roan-jato amby arivo andro izy, sady hitafy lamba fisaonana.