Apokalypsin'i Jaona 11:3
Ary homeko hery ny vavolombeloko roa, ka haminany enim-polo amby roan-jato amby arivo andro izy, sady hitafy lamba fisaonana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Apokalypsin'i Jaona 11
Cross References
Genesis 37:34Ary Jakoba dia nandriatra ny fitafiany ka nisikina lamba fisaonana tamin’ ny valahany; ary nisaona ny zanany andro maro.
Deuteronomy 17:6Amin’ ny tenin’ ny vavolombelona roa na telo no hamonoana izay tokony ho faty; fa ny tenin’ ny vavolombelona iray monja dia tsy hahafaty azy.
1 Chronicles 21:16Ary Davida nanopy ny masony ka nahita Ilay Anjelin’ i Jehovah nitsangana teo anelanelan’ ny tany sy ny lanitra sady nitana sabatra voatsoaka teny an-tanany, izay natondrony manandrify an’ i Jerosalema. Dia niankohoka Davida sy ny loholon’ ny Isiraely, izay efa samy nitafy lamba fisaonana.
Job 16:15Lamba fisaonana no voazaitrako hanarona ny hoditro, ary nalàko baraka tamin’ ny vovoka ny tandroko.
Lamentations 2:10Mipetraka amin’ ny tany ny loholon’ i Ziona zanakavavy ka mangìna; Nasiany vovoka ny lohany, misikìna lamba fisaonana izy; Ny virijina any Jerosalema nampitanondrika ny lohany ho amin’ ny tany.
Matthew 18:16fa raha tsy mihaino anao kosa izy, dia ento miaraka aminao ny olona iray na roa, mba ho voaorina mafy avokoa ny teny rehetra amin’ ny tenin’ ny vavolombelona roa na telo.