Bokin'ny Deoteronomia 28:54
Ny lehilahy malemilemy sy mihantahanta indrindra eo aminao dia ho ratsy fijery ny rahalahiny sy ny vadiny andefimandry ary ny zanany sisa,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 28
Cross References
Deuteronomy 13:6Fa izany mpaminany na mpanonofy izany dia hatao maty satria efa nanao teny fampiodinana amin’ i Jehovah Andriamanitrareo (Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta ka nanavotra anao tamin’ ny trano nahandevozana), mba hitaona anao hiala amin’ ny lalana izay nasain’ i Jehovah Andriamanitrao halehanao. Ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
2 Samuel 12:3fa ilay malahelo kosa tsy nanana na inona na inona afa-tsy zanak’ ondry vavy kely iray monja izay novidiny; ary nokolokoloiny tsara io ka nitombo teo aminy sy ny zanany; fa tamin’ ny hanin-kelin-dralehilahy no nihinanany, ary tamin’ ny kapoakany no nisotroany, sady notrotroiny teo an-tratrany izy ka nataony toy ny zananivavy.
Proverbs 23:6Aza homana ny mofon’ izay ratsy fijery, Ary aza mitsiriritra ny hanim-piny;
Isaiah 49:15Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy ka tsy hamindra fo amin’ ny zanaka naloaky ny kibony? Eny, mety manadino ihany izy, Fa Izaho kosa tsy mba manadino anao.
Matthew 7:9Ary iza moa aminareo, raha angatahan’ ny zanany mofo, no hanome azy vato?
Luke 11:11Fa iza moa aminareo izay ray, raha angatahan’ ny zanany mofo, no hanome azy vato? ary raha angatahany hazandrano, no hanome azy menarana ho solon’ ny hazandrano?