Bokin'ny Deoteronomia 29:21
Ary hiteny ny taranaka any aoriana, dia ny zanakareo izay hitsangana handimby anareo, sy ny vahiny avy amin’ ny tany lavitra, raha mahita ny kapoka natao tamin’ ity tany ity sy ny faharariana izay nampaharanan’ i Jehovah azy
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 29
Cross References
Deuteronomy 28:61Ary ny faharariana rehetra sy ny kapoka rehetra koa, izay tsy voasoratra amin’ ny bokin’ ity lalàna ity aza, dia ho entin’ i Jehovah mamely anao mandra-paharinganao.
Ezekiel 13:9Ary ny tanako no hamely ny mpaminany izay mahita anoano foana sy maminany lainga; tsy ho isan’ ny mpanolo-tsainan’ ny oloko na ho voasoratra amin’ ny bokin’ ny taranak’ Isiraely izy sady tsy hiditra ao amin’ ny tanin’ ny Isiraely; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Tompo.
Matthew 24:51dia hotapahiny roa izy ka homeny anjara any amin’ ny mpihatsaravelatsihy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
Matthew 25:41Ary dia hilaza indray amin’ izay eo amin’ ny ankaviany kosa Izy hoe: Mialà amiko, ianareo izay voaozona, ho any amin’ ny afo maharitra mandrakizay, izay voavoatra ho an’ ny devoly sy ny anjeliny;