Bokin'ny Deoteronomia 32:50
Dia aoka ho faty ao amin’ ny tendrombohitra izay iakaranao ianao, ka ho voangona any amin’ ny razanao, tahaka ny nahafatesan’ i Arona rahalahinao tao an-tendrombohitra Hora sy ny nanangonana azy any amin’ ny razany,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 32
Cross References
Genesis 25:8Dia niala aina Abrahama ka maty, rehefa fotsy volo tsara sady lahy antitra ela niainana; dia voangona any amin’ ny razany izy.
Genesis 49:33Ary rehefa vitan’ i Jakoba ny hafatra nataony tamin’ ny zananilahy rehetra, dia navonkiny teo am-parafara ny tongony, dia niala aina izy ka voangona any amin’ ny razany.
Numbers 32:38sy Nebo sy Bala-meona (nefa novana ny anaran’ ireo) ary Sibma; ary nasiany anarana vaovao ny tanàna izay nataony.
Numbers 33:38Ary Arona mpisorona niakatra tao an-tendrombohitra Hora, araka ny didin’ i Jehovah, dia maty tao izy tamin’ ny fahefa-polo taona taorian’ ny nivoahan’ ny Zanak’ Isiraely avy tany amin’ ny tany Egypta, tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana fahadimy.
Deuteronomy 31:16Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Indro fa hodi-mandry any amin’ ny razanao ianao; ary hitsangana ity firenena ity ka hijangajanga hanaraka ny andriamani-kafa any amin’ ny tany izay efa hidirany honenana, dia hahafoy Ahy izy ka hivadika ny fanekeko izay nataoko taminy.