Bokin'ny Deoteronomia 33:9
Izay nilaza ny rainy sy ny reniny hoe: Tsy mahita azy aho, Sady tsy nahalala izay rahalahiny izy, Ary izay zanany aza dia tsy fantany; Fa nitandrina ny teninao izy Ka nitana ny fanekenao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 33
Cross References
Genesis 29:32Dia nanan’ anaka Lea ka niteraka zazalahy, ary ny anarany dia nataony hoe Robena; fa hoy izy: Efa nitsinjo ny fahoriako Jehovah, fa ankehitriny dia ho tian’ ny vadiko aho.
Exodus 32:26dia nijanona teo amin’ ny vavahadin’ ny toby Mosesy ka nanao hoe: Izay rehetra an’ i Jehovah mankanesa etỳ amiko. Ary ny taranak’ i Levy rehetra niangona teo aminy.
Leviticus 10:6Ary hoy Mosesy tamin’ i Arona ary tamin’ i Eleazara sy Itamara, zananilahy: Aza mirakaraka volo, na mandriatra ny akanjonareo, fandrao mba maty koa ianareo, sady hisy fahatezerana hahatratra ny olona rehetra; fa aoka ny rahalahinareo, dia ny taranak’ Isiraely rehetra, no hitomany noho ny fahamaizana izay narehitr’ i Jehovah.
1 Chronicles 17:17Ary mbola nataonao ho zavatra kely ihany aza izany, Andriamanitra ô; fa, indro, efa voalazanao koa ny amin’ ny taranaky ny mpanomponao hatramin’ ny mbola any aoriana lavitra aza, ary nitsinjo ahy araka ny fanaon’ ny olona Hianao, Jehovah Andriamanitra ô, ka nanandratra ahy.
Jeremiah 18:18Dia hoy ny olona: Andeha isika hihevitra izay hamelezana an’ i Jeremia; fa tsy ho tapaka tsy akory ny lalàna avy amin’ ny mpisorona, na ny saina avy amin’ ny hendry, na ny teny avy amin’ ny mpaminany. Aoka ny vavantsika ho enti-mamely azy, ary aoka tsy hohenointsika akory izay teniny.
Matthew 10:37Izay tia ray na reny mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy miendrika ho Ahy, ary izay tia ny zananilahy na ny zananivavy mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy miendrika ho Ahy.