Bokin'ny Deoteronomia 5:21
ka hoy ianareo: Indro, efa nampahitain’ i Jehovah Andriamanitsika ny voninahiny sy ny fahalehibiazany isika, ary efa rentsika ny feony avy tao amin’ ny afo; koa efa hitantsika androany fa Andriamanitra miteny amin’ ny olona, nefa velona ihany izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 5
Cross References
2 Samuel 11:2Ary nony harivariva, dia niala tao am-pandriany Davida ka nitsangantsangana teo an-tampon’ ny lapa; ary raha teo izy dia nahatazana vehivavy mandro; ary ravehivavy dia tsara tarehy maha-te-hijery.
Job 31:9Raha tahìny adala tamin’ ny vadin’ olona ny foko, ka namitsaka teo am-baravaran’ ny namako aho,
Micah 2:2Ary mitsiriritra saha izy ka maka izany an-keriny, Sy trano koa ka mahalasa azy; Ary mampahory olona mbamin’ ny ankohonany izy, Dia ny olona mbamin’ ny lovany.
Luke 12:15Ary hoy Izy tamin’ ny olona: Mitandrema, ka miarova tena mba tsy ho azon’ ny fieremana ianareo; fa ny ain’ ny olona tsy miankina amin’ ny habetsahan’ ny zavatra ananany.
Romans 13:9Fa ny hoe: Aza mijangajanga, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mitsiriritra zavatr’ olona, mbamin’ izay didy hafa rehetra, dia samy efa ao anatin’ izao teny izao hoe: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
Hebrews 13:5Aoka tsy ho amin’ ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianina amin’ izay anananareo; fa hoy Izy: “Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory”.