Bokin'ny Deoteronomia 8:15
Izay nitondra anao tany amin’ ny efitra lehibe sady mahatahotra, izay misy menaran’ afo sy maingoka, dia ny tany mangentana tsy misy rano, ary nampivoaka rano ho anao avy tamin’ ny vatolampy afovato,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 8
Cross References
Exodus 17:5Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Mandrosoa eo alohan’ ny olona, ary itondray hiaraka aminao ny loholon’ ny Isiraely; ary ny tehinao, ilay nikapohanao an’ i Neily, dia ento eny an-tananao, ka mandehana.
Numbers 20:11Ary Mosesy dia nanainga ny tànany ka nikapoka ny vatolampy indroa tamin’ ny tehiny; dia niboiboika be dia be ny rano, ka nisotro avokoa ny fiangonana sy ny biby fiompiny.
Deuteronomy 1:19Ary nony niala tany Horeba isika, dia nandeha namaky ilay efitra lehibe sy mahatahotra izay hitanareo teny amin’ ny lalana mankany amin’ ny tany havoan’ ny Amorita, araka izay efa nandidian’ i Jehovah Andriamanitsika; dia tonga tao Kadesi-barnea isika.
Psalms 78:15Namaky vatolampy tany an-efitra Izy, ka nampisotro azy nanaram-po tahaka ny amin’ ny rano lalina.
Psalms 114:8Izay mampody ny vatolampy ho rano monina Ary ny afovato ho loharano.
Isaiah 35:7Ny alonalona mitarehin-drano dia ho tonga farihy tokoa, ary ny tany mangentana ho loharano miboiboika; Ny fonenana izay amitsahan’ ny amboadia dia haniry volotara sy zozoro.