Bokin'ny Salamo 78:15
Namaky vatolampy tany an-efitra Izy, ka nampisotro azy nanaram-po tahaka ny amin’ ny rano lalina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
He clave the rocks in the wilderness, and gave them drink as out of the great depths.
In Context
14Ary ny rahona no nitondrany azy raha antoandro, sy afo mahazava nony alina.
16Ary nampivoaka rano mandriaka avy tamin’ ny harambato Izy ka nampirotsaka rano ho tahaka ny ony.
Read all of Bokin'ny Salamo 78
Cross References
Exodus 17:6Ary, indro, hijanona eo anatrehanao eo ambonin’ ny harambato any Horeba Aho, dia hikapoka ny harambato ianao, ka hisy rano hivoaka avy aminy hosotroin’ ny olona. Dia nanao izany Mosesy teo imason’ ny loholon’ ny Isiraely.
Psalms 105:41Nanokatra ny vatolampy Izy, dia nigororoana ny rano Ka nandriaka tamin’ ny tany maina ho renirano.
Isaiah 41:18Hampiboika renirano ao amin’ ny tendrombohitra mangadihady Aho ary loharano ao amin’ ny lohasaha; Hanao ny efitra ho farihy Aho ary ny tany karankaina no loharano miboiboika.
Isaiah 48:21Ary tsy nangetaheta ireo tamin’ ny nitondrany azy tany an-efitra; Nampiboiboika rano ho azy avy tamin’ ny vatolampy Izy, Eny, nampitresaka ny vatolampy Izy, ka dia nigororoana ny rano.
1 Corinthians 10:4ary izy rehetra nisotro ny fisotrom-panahy iray ihany; fa nisotro tamin’ ny vatolampy fanahy izay nanaraka azy izy, ary Kristy izany vatolampy izany.
Revelation 22:17Ny Fanahy sy ny ampakarina manao hoe: Avia; ary aoka izay mahare hanao hoe: Avia. Ary aoka ho avy izay mangetaheta; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin’ ny ranon’ aina.