Epistily ho an'ny Efesiana 1:3
Isaorana anie Andriamanitra, Rain’ i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nitahy antsika tao amin’ i Kristy amin’ ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Efesiana 1
Cross References
Genesis 12:2dia hahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao; ary ho fitahiana tokoa ianao;
Genesis 22:18ary amin’ ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ ny tany, satria nanaiky ny teniko ianao.
1 Chronicles 29:20Ary hoy Davida tamin’ ny fiangonana rehetra: Masìna ianareo, misaora an’ i Jehovah Andriamanitrareo. Ary ny fiangonana rehetra dia nisaotra an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, sady niondrika ka niankohoka teo anatrehan’ i Jehovah sy ny mpanjaka.
Nehemiah 9:5Ary hoy ny Levita, dia Jesoa sy Kadmiela sy Bany sy Hasabnia sy Serebia sy Hodia sy Sebania ary Petahia: Mitsangana, ka misaora an’ i Jehovah Andriamanitrareo mandrakizay mandrakizay. Ary isaorana anie ny anaranao malaza, izay voasandratra ambonin’ ny fisaorana sy ny fiderana rehetra.
Psalms 72:19Ary isaorana mandrakizay anie ny anarany malaza; ary aoka ny tany rehetra ho henika ny voninahiny. Amena dia Amena.
Isaiah 61:9Ny taranany ho fantatra any amin’ ny jentilisa ary ny terany any amin’ ny firenena; Izay rehetra mahita azy dia hahafantatra azy ho taranaka notahin’ i Jehovah.