Epistily ho an'ny Efesiana 1:6
ho fiderana ny voninahitry ny fahasoavany, izay nanasoavany antsika maimaimpoana ao amin’ ny Malala.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
To the praise of the glory of his grace, wherein he hath made us accepted in the beloved.
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Efesiana 1
Cross References
Psalms 22:20Fa Hianao, Jehovah ô, aza manalavitra; ry Heriko ô, faingana hamonjy ahy.
Proverbs 8:30Dia mpità-marika teo anilany aho Sady ravoravo isan’ andro isan’ andro Ka nilalao mandrakariva teo anatrehany;
Isaiah 42:1Indro ny Mpanompoko, Izay tantanako, dia Ilay voafidiko sady sitraky ny foko Napetrako tao aminy ny Fanahiko; Hamoaka fitsipika ho an’ ny jentilisa Izy.
Isaiah 45:24Ao amin’ i Jehovah ihany no misy fahamarinana be sy hery, ka izy ihany no hohatonin’ ny olona, ary ho menatra izay rehetra tezitra aminy.
Isaiah 61:3Hanolotra ho an’ ny malahelo ao Ziona, eny, hanome azy namama ho solon’ ny lavenona, sy diloilo fifaliana ho solon’ ny fahalahelovana, ary fitafiana fiderana ho solon’ ny fanahy reradreraka, mba hanaovana azy hoe Hazon’ ny fahamarinana, nambolen’ i Jehovah ho fampisehoam-boninahitra.
Jeremiah 23:6Amin’ ny androny no hamonjena ny Joda, sy handrian’ ny Isiraely fahizay, ary izao no anarany izay hanononana Azy: Jehovah Fahamarinantsika.