Epistily ho an'ny Efesiana 1:7
Izy no ananantsika fanavotana amin’ ny ràny, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren’ ny fahasoavany,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
6ho fiderana ny voninahitry ny fahasoavany, izay nanasoavany antsika maimaimpoana ao amin’ ny Malala.
8izay nataony be ho antsika tamin’ ny fahendrena sy ny fisainana rehetra,
Read all of Epistily ho an'ny Efesiana 1
Cross References
Exodus 34:7mitahiry famindram-po ho an’ ny olona arivo mandimby, mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin’ ny zanaka sy ny zafy hatramin’ ny zafiafy sy ny zafindohalika.
Psalms 32:1Nataon’ i Davida. Maskila. Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany.
Psalms 130:4Fa eo aminao no misy ny famelan-keloka, Mba hatahorana Anao.
Isaiah 43:25Izaho dia Izaho no mamono ny fahadisoanao noho ny amin’ ny tenako, ary tsy hotsarovako ny fahotanao.
Jeremiah 31:34Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy intsony izy hoe: Mahalalà an’ i Jehovah; Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra. Hatramin’ ny kely indrindra ka hatramin’ ny lehibe indrindra, hoy Jehovah; Fa havelako ny helony, ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.
Daniel 9:19Tompo ô, mandrenesa, Tompo ô, mamelà heloka; Tompo ô, mihainoa, ka miasà; aza ela Hianao, ry Andriamanitro ô noho ny aminao; fa ny tanànanao sy ny olonao dia nantsoina amin’ ny anaranao.