Epistily ho an'ny Efesiana 2:19
Koa dia tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony ianareo, fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin’ ny olona masìna sady ankohonan’ Andriamanitra,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
18Fa Izy no ananantsika roa tonta fanatonana amin’ ny Fanahy iray ho any amin’ ny Ray.
Read all of Epistily ho an'ny Efesiana 2
Cross References
Galatians 3:26Fa ianareo rehetra dia zanak’ Andriamanitra amin’ ny finoana an’ i Kristy Jesosy.
Galatians 6:10Koa araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin’ ny olona rehetra, indrindra fa amin’ ny mpianakavin’ ny finoana.
Ephesians 3:6dia ny ahatongavan’ ny jentilisa ho mpiray lova sy ho tena iray ary ho mpiombona ny teny fikasana ao amin’ i Kristy Jesosy noho ny filazantsara,
Philippians 3:20Fa ny fanjakantsika dia any an-danitra, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesosy Kristy Tompo,
Hebrews 12:22Fa ianareo kosa efa mby eo an-tendrombohitra Ziona, tanànan’ Andriamanitra velona, dia Jerosalema any an-danitra, ary ho ao amin’ ny anjely tsy omby alinalina,
Revelation 21:12ary manana mànda lehibe sady avo sy vavahady roa ambin’ ny folo izy, ary eo amin’ ny vavahady dia misy anjely roa ambin’ ny folo, ary misy anarana voasoratra eo, dia ny an’ ny firenena roa ambin’ ny folo amin’ ny Zanak’ isiraely;