Epistily ho an'ny Efesiana 3:1
Ary noho izany, izaho Paoly, mpifatotra an’ i Kristy Jesosy, noho ny aminareo jentilisa, ―
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
For this cause I Paul, the prisoner of Jesus Christ for you Gentiles,
In Context
2raha mba renareo ny fitondrana ny fahasoavan’ Andriamanitra izay nomena ahy ho anareo,
Read all of Epistily ho an'ny Efesiana 3
Cross References
Acts 21:33Ary ny mpifehy arivo nanakaiky, dia nisambotra azy ka nandidy hamatotra ary tamin’ ny gadra roa, dia nanontany hoe: Iza moa izy, ary inona moa no nataony?
Acts 26:29Ary hoy Paoly: Mangataka amin’ Andriamanitra aho, fa na amin’ ny mora, na amin’ ny sarotra, tsy ianao ihany, fa izay rehetra mandre ahy anio, dia hitovy amiko, afa-tsy amin’ ireto gadra ireto ihany.
2 Corinthians 10:1Ary ny tenako, izaho Paoly, dia mananatra anareo amin’ ny hamoram-panahy sy ny fandeferan’ i Kristy, dia izaho, izay manetry tena, hono, raha eo anatrehanareo, fa sahy aminareo kosa, raha tsy eo.
Galatians 5:2Indro, izaho Paoly milaza aminareo fa raha mety hoforana ianareo, dia tsy hahasoa anareo na dia kely akory aza Kristy.
Ephesians 3:13Koa izany no angatahako aminareo mba tsy ho ketraka amin’ ny fahoriako ho anareo, fa voninahitrareo izany.
Ephesians 6:20(iraka migadra noho izany aho), mba hiteny izany amin’ ny fahasahiana aho, toy izay mety hoteneniko.