Epistily ho an'ny Efesiana 3:7
izay nanaovana ahy ho mpanompo araka ny fanomezan’ ny fahasoavan’ Andriamanitra, izay nomena ahy araka ny fiàsan’ ny heriny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Efesiana 3
Cross References
Isaiah 43:13Eny, hatramin’ izary andro izany Izaho no Izy, Ary tsy misy maharombaka amin’ ny tanako; Miasa Aho, ka iza moa no mahasakana izany?
Romans 15:16mba ho mpanompon’ i Kristy Jesosy ho an’ ny jentilisa aho ka manao fanompoam-pivavahana amin’ ny itoriako ny filazantsaran’ Andriamanitra, mba horaisina amin’ ny fankasitrahana ny fanatitra, dia ny jentilisa, rehefa nohamasinin’ ny Fanahy Masìna.
1 Corinthians 3:5Koa inona moa Apolosy, ary inona moa Paoly? Mpanompo ihany izay nahatonga anareo ho mpino ireo, dia samy araka ny nomen’ ny Tompo azy avy.
2 Corinthians 3:6Izay efa nampahaleo anay koa ho mpanompo amin’ izay fanekena vaovao, nefa tsy amin’ ny soratra, fa amin’ ny Fanahy; fa ny soratra mahafaty, fa ny Fanahy no mahavelona.
2 Corinthians 10:4(fa tsy avy amin’ ny nofo ny fiadian’ ny tafikay, fa mahery amin’ Andriamanitra handrava fiarovana mafy);
Ephesians 1:19ary ny fihoaran’ ny halehiben’ ny heriny ho antsika izay mino, araka ny fiàsan’ ny herin’ ny faherezany,