Epistily ho an'ny Efesiana 4:11
Ary Izy no nanome ny sasany ho Apostoly, ary ny sasany ho mpaminany, ary ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Efesiana 4
Cross References
2 Chronicles 15:3Ary efa ela ny Isiraely no tsy nanana an’ Andriamanitra marina, na mpisorona mampianatra, na lalàna.
Matthew 28:20sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ ny fahataperan’ izao tontolo izao.
Acts 20:28Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay nanaovan’ ny Fanahy Masìna anareo ho mpitandrina’, hiandrasanareo ny fiangonan Andriamanitra, izay novidiny tamin’ ny ràny.
Romans 10:14Hataony ahoana ary no fiantso izay tsy ninoany? Ary hataony ahoana no fino izay Olona tsy reny? Ary hataony ahoana no fandre raha tsy misy mpitory?
1 Corinthians 12:28Ary Andriamanitra efa nanendry ny sasany teo amin’ ny fiangonana, voalohany Apostoly, faharoa mpaminany, fahatelo mpampianatra, manaraka izany dia fahagagana, dia fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, dia fanampiana, dia fitondrana, dia fiteny samy hafa tsy fantatra.
Ephesians 3:5izay tsy mbola nampahafantarina ny zanak’ olombelona tamin’ ny taranaka lasa tahaka ny fanambaran’ ny Fanahy ankehitriny amin’ ny Apostoly masìna sy ny mpaminany,