Epistily ho an'ny Efesiana 4:12
ho fanatanterahana ny olona masìna, ho amin’ ny asan’ ny fanompoana amin’ ny fiangonana, ho amin’ ny fampandrosoana ny tenan’ i Kristy,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Efesiana 4
Cross References
Luke 22:32Nefa Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao; ary rehefa mibebaka ianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao.
Acts 1:17fa izy dia isantsika ihany ka nahazo anjara tamin’ izao fanompoana izao koa.
Acts 9:31Dia nanam-piadanana ny fiangonana eran’ i Jodia sy Galilia ary Samaria rehetra, sady nandroso tsara sy nandeha tamin’ ny fahatahorana ny Tompo sy ny famporisihan’ ny Fanahy ka nihamaro.
Acts 14:22nampahery ny fanahin’ ny mpianatra ka nananatra azy haharitra amin’ ny finoana, sady nilaza fa tsy maintsy ho amin’ ny fahoriana be no idirantsika amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.
Acts 20:28Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay nanaovan’ ny Fanahy Masìna anareo ho mpitandrina’, hiandrasanareo ny fiangonan Andriamanitra, izay novidiny tamin’ ny ràny.
Romans 14:19Koa dia aoka isika hiezaka hitady ny momba ny fiadanana sy ny momba ny fifampandrosoana.