Epistily ho an'ny Efesiana 4:14
mba tsy ho zaza intsony isika, ka ahilangilana sy ampitambolimbolenin’ ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra amin’ ny saim-petsy ataon’ ny olona sy ny fihendreny hahatanteraka ny hevitry ny famitahana;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Efesiana 4
Cross References
Psalms 10:9Manotrika ao an-katakonana tahaka ny liona ao amin’ ny famitsahany izy; manotrika hisambotra ny malahelo izy; fandrihany amin’ ny haratony no fisambony ny malahelo.
Isaiah 28:9Iza no hampianariny fahalalana? Ary iza no hampahafantariny fianarana? Zaza vao notazana va? Ny vao nitsaha-nono va?
Matthew 11:7Ary nony lasa ireny, dia vao nilaza an’ i Jaona tamin’ ny vahoaka Jesosy ka nanao hoe: Hizaha inona no nivoahanareo nankany an-efitra? Volotara nohozongozonin’ ny rivotra va?
Matthew 24:11Ary hisy mpaminany sandoka maro hitsangana ka hamitaka ny maro.
Acts 20:30Ary avy aminareo no hiposahan’ ny olona sasany mitory teny tsy marina hitaona ny mpianatra hanaraka azy.
Romans 16:17Fa izaho mananatra anareo, ry rahalahy, mba hitandrina ny amin’ izay mahatonga ny fisarahana sy ny fahatafintohinana tsy araka ny fampianarana efa nianaranareo; mialà amin’ ireny olona ireny.