Epistily ho an'ny Efesiana 4:28
Aoka izay nangalatra tsy hangalatra intsony; fa aleo hikely aina ka hiasa izay tsara amin’ ny tànany, mba hisy homeny izay tsy manana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
27Aza manome fitoerana ho an’ ny devoly.
Read all of Epistily ho an'ny Efesiana 4
Cross References
Exodus 20:17Aza mitsiriritra ny tranon’ ny namanao; aza mitsiriritra ny vadin’ ny namanao, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an’ ny namanao akory aza.
Job 34:32Izay tsy hitako mba ampianaro ahy; Raha nanao ratsy aho, dia tsy hanao intsony?
Proverbs 14:23Ny fisasarana rehetra misy valiny avokoa; Fa ny molotra mibedibedy foana tsy mba ahazoana na inona na inona.
Proverbs 30:9Fandrao, raha voky aho, dia handà Ka hanao hoe: Iza moa Jehovah? Ary andrao, raha tonga malahelo aho, dia hangalatra Ka hanamavo ny anaran’ Andriamanitro.
Hosea 4:2Fa fianianana sy lainga sy vonoana sy halatra sy fijangajangana kosa, eny, manao an-keriny izy ka mifanontona ny fandatsahan-drà.
Luke 3:8Koa mamoaza voa miendrika ny fibebahana; ary aza manao anakampo hoe: Manana an’ i Abrahama ho rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an’ i Abrahama avy amin’ ireto vato ireto.