Bokin'ny Ohabolana 14:23
Ny fisasarana rehetra misy valiny avokoa; Fa ny molotra mibedibedy foana tsy mba ahazoana na inona na inona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In all labour there is profit: but the talk of the lips tendeth only to penury.
In Context
22Tsy mivily va izay manao asa ratsy? Fa famindram-po sy fahamarinana no ho an’ izay manao asa tsara.
24Satroboninahitry ny hendry ny hareny; Fa ny fahadalan’ ny adala dia fahadalana ihany.
Read all of Bokin'ny Ohabolana 14
Cross References
Job 28:10Ny vatolampy tatahany hatao lalan-drano, ary izay zava-tsoa rehetra dia hitan’ ny masony avokoa.
Proverbs 12:24Ny tanan’ ny mazoto no hanapaka; Fa izay miraviravy tanana dia hampanompoina.
Ecclesiastes 3:9Inona no soa azon’ ny miasa amin’ izay isasarany?
John 6:27Aza miasa hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay, izay homen’ ny Zanak’ olona anareo; fa Izy no nasian’ Andriamanitra Ray tombo-kase.
1 Timothy 5:13Sady mianatra ho malaina koa izy ka mandehandeha mitety trano; ary tsy malaina ihany, fa mpilazalaza sy mpandehandeha miraharaha ny an’ olona ka manao teny tsy mety.