Epistily ho an'ny Efesiana 4:5
iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
One Lord, one faith, one baptism,
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Efesiana 4
Cross References
Matthew 28:19koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ ny anaran’ ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masìna
Acts 10:36Hianareo mahalala ny teny izay nampitondrainy ho amin’ ny Zanak’ isiraely, mitory teny soa milaza fiadanana amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy (Izy no Tompon’ izao rehetra izao),
Romans 6:3Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin’ i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin’ ny fahafatesany?
1 Corinthians 1:2mamangy ny fiangonan’ Andriamanitra any Korinto, dia izay nohamasinina ao amin’ i Kristy Jesosy, olona voantso sady masìna, mbamin’ izay rehetra miantso ny anaran’ i Jesosy Kristy Tompontsika eny amin’ ny tany rehetra, dia azy sy antsika:
1 Corinthians 8:6nefa amintsika kosa dia Andriamanitra iray ihany, dia ny Ray, Izay nihavian’ ny zavatra rehetra, ary ho Azy isika; ary iray ihany ny Tompo, dia Jesosy Kristy, Izay nahariana ny zavatra rehetra sady nahariana antsika koa.
1 Corinthians 12:13Fa Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray, na Jiosy an jentilisa, na andevo na tsy andevo; ary isika rehetra dia efa nampisotroina ny Fanahy iray.