Epistily ho an'ny Efesiana 4:9
(Ary ny amin’ ny hoe niakatra, inona moa izany, afa-tsy ny efa nidina ho any ambanin’ ny tany koa?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Efesiana 4
Cross References
Genesis 11:5Dia nidina Jehovah hizaha ny tanàna sy ny tilikambo, izay nataon’ ny zanak’ olombelona.
Psalms 8:5Inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak’ olombelona, no amangianao azy?
Psalms 139:15Ny tenako tsy niafina taminao, Fony natao tao amin’ ny miafina aho, Ka noforoninao hisy endrika tany ambanin’ ny tany.
Isaiah 44:23Mihobia, ry lanitra; Fa Jehovah no nanao izany; Manaova feo fifaliana ianareo, ry fitoerana lalina any ambanin’ ny tany; Velomy ny hoby, ry tendrombohitra, ary ianao, ry ala mbamin’ izay hazo rehetra ao; Fa Jehovah efa nanavotra an’ i Jakoba sy mampiseho ny voninahiny eo amin’ Isiraely.
John 3:13Ary tsy nisy niakatra ho any an-danitra, afa-tsy Ilay nidina avy tany an-danitra, dia ny Zanak’ olona, Izay any an-danitra.
John 6:38Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon’ izay naniraka Ahy.