Bokin'ny Salamo 139:15
Ny tenako tsy niafina taminao, Fony natao tao amin’ ny miafina aho, Ka noforoninao hisy endrika tany ambanin’ ny tany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Salamo 139
Cross References
Exodus 11:5dia ho faty ny lahimatoa rehetra eto amin’ ny tany Egypta, hatramin’ ny matoan’ i Farao izay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianany ka hatramin’ ny matoan’ ny ankizivaviny izay eo anilan’ ny fikosoham-bary, ary ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra.
Psalms 63:9Mifikitra amiko ny fanahiko; manohana ahy ny tananao ankavanana.
Ecclesiastes 11:5Toy ny tsy ahafantaranao ny amin’ ny alehan’ ny rivotra, na ny amin’ ny fitombon’ ny taolana ao an-kibon’ izay manan’ anaka, dia toy izany no tsy ahafantaranao ny asan’ Andriamanitra, Mpanao ny zavatra rehetra.
Ephesians 4:9(Ary ny amin’ ny hoe niakatra, inona moa izany, afa-tsy ny efa nidina ho any ambanin’ ny tany koa?