Epistily ho an'ny Efesiana 5:10
mamantatra izay ankasitrahan’ ny Tompo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Proving what is acceptable unto the Lord.
In Context
9(fa ny vokatry ny mazava dia ao amin’ ny fahatsarana rehetra sy ny fahamarinana ary ny fahitsiana),
11Ary aza miray amin’ ny asan’ ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mananatra izany.
Read all of Epistily ho an'ny Efesiana 5
Cross References
Psalms 19:14Arovy ny mpanomponao tsy ho azon’ ny ota sahisahy; aoka tsy hanapaka ahy izany; dia ho marina tokoa aho ka tsy hanan-tsiny ny amin’ izay fahadisoana lehibe.
Isaiah 58:5Moa fifadiana toy izany va no ankasitrahako? Dia andro hampahorian’ ny olona tena? Ny hampiondrika ny lohany tahaka ny zozoro sy ny hamelatra lamba fisaonana rarahan-davenona ho fandriany, moa izany va no ataonao hoe fifadiana sy andro ankasitrahan’ i Jehovah?
Romans 12:1Koa amin’ izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindram-pon’ Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masìna, sitrak’ Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany.
Philippians 1:10mba hamantaranareo izay zavatra tsara indrindra, mba ho madio am-po ary tsy hanan-tsiny ho amin’ ny andron’ i Kristy ianareo,
1 Thessalonians 5:21Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara.
1 Timothy 5:4Fa raha misy mpitondratena manana zanaka na zafy, aoka ireo hianatra aloha haneho izay toe-panahy araka an’ Andriamanitra amin’ ny ao an-tranony ka hamaly soa ny rainy aman-dreniny; fa izany no ankasitrahana eo anatrehan’ Andriamanitra.