Epistily ho an'ny Efesiana 6:17
Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin’ Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And take the helmet of salvation, and the sword of the Spirit, which is the word of God:
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Efesiana 6
Cross References
1 Samuel 17:58Dia hoy Saoly taminy: Zanak’ iza moa ianao, ry zatovo? Ary hoy Davida: Zanak’ i Jese Betlehemita mpanomponao aho.
Isaiah 59:17Niakanjo fahamarinana tahaka ny akanjo fiarovan-tratra Izy, ary fiarovan-doha famonjena no teo amin’ ny lohany; ary niakanjo ny akanjo famaliana Izy eny, nandray ny fahasaro-piaro ho akanjo ivelany Izy.
Matthew 4:4Fa Izy kosa namaly ka nanao hoe: Voasoratra hoe: Tsy mofo ihany no hiveloman’ ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’ Andriamanitra.
Matthew 4:10Fa hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ry Satana: fa voasoratra hoe; Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao.
Hebrews 4:12Fa velona sy mahery ny tenin’ Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin’ ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ ny fo.
Hebrews 13:5Aoka tsy ho amin’ ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianina amin’ izay anananareo; fa hoy Izy: “Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory”.