Exodus 10:21
Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tananao, mba hisy aizina amin’ ny tany Egypta, dia aizina azo tsapaina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
20Nefa Jehovah nanamafy ny fon’ i Farao, ka tsy nandefa ny Zanak’ Isiraely izy.
Cross References
Exodus 9:22Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tananao, dia hisy havandra hilatsaka amin’ ny tany Egypta rehetra, dia amin’ ny olona sy amin’ ny biby fiompy ary amin’ ny anana rehetra any an-tsaha eran’ ny tany Egypta.
Deuteronomy 4:34Moa efa nanandrana handeha haka firenena ho Azy avy amin’ ny firenena hafa va Andriamanitra amin’ ny fizahan-toetra sy ny famantarana sy ny fahagagana sy ny ady sy ny tanana mahery sy ny sandry nahinjitra ary ny fampahatahorana lehibe, araka izay rehetra nataon’ i Jehovah Andriamanitrareo ho anareo tany Egypta teo imasonao?
Job 5:14Na dia amin’ ny antoandro aza dia tafatsarapaka ao amin’ ny maizina ireny ka miraparapa amin’ ny mitataovovonana tahaka ny amin’ ny alina;
Psalms 78:49Nandatsaka ny fahatezerany mirehitra taminy Izy: eny, fahavinirana sy fahatezerana ary fampahoriana, dia anjely andiany mitondra loza.
Proverbs 4:19Ny alehan’ ny ratsy fanahy dia toy ny aizim-pito; Tsy fantany akory izay manafintohina azy.
Ecclesiastes 6:4Fa toa zava-poana no nihavian’ io, ary mandeha ao amin’ ny maizina izy, sady ho voasaron’ ny aizina ny anarany,