Bokin'ny Eksodosy 14:4
Dia hanamafy ny fon’ i Farao Aho, ka hanenjika anareo izy; dia hankalazaina Aho noho ny hataoko amin’ i Farao sy amin’ ny miaramilany rehetra, ka ho fantatry ny Egyptiana fa Izaho no Jehovah. Dia nataon’ ny Zanak’ Isiraely izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
3Ary Farao hilaza ny Zanak’ Isiraely hoe: Azon’ ny tamberintany izy ka voahidin’ ny efitra.
Read all of Bokin'ny Eksodosy 14
Cross References
Exodus 4:21Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Raha mandeha miverina ho any Egypta ianao, indreo ireo fahagagana rehetra ireo, izay nataoko eo an-tananao, dia ataovy eo anatrehan’ i Farao; ary Izaho hanamafy ny fony, ka tsy handefa ny olona izy.
Exodus 7:3Ary Izaho hanamafy ny fon’ i Farao sy hanamaro ny famantarana sy ny fahagagana izay hataoko eto amin’ ny tany Egypta.
Exodus 7:13Dia nihamafy ny fon’ i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, araka izay efa nolazain’ i Jehovah.
Exodus 9:16Kanefa izao indrindra no nampaharetako anao, dia ny hampahita anao ny heriko mba hambara any amin’ ny tany rehetra ny anarako.
Exodus 12:28Ary dia nandeha ny Zanak’ Isiraely ka nanao izany; araka izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy sy Arona no nataony.
Exodus 14:17Ary, indro, Izaho hanamafy ny fon’ ny Egyptiana, ka hiditra hanenjika azy izy; dia hankalazaina Aho noho ny hataoko amin’ i Farao sy amin’ ny miaramilany rehetra mbamin’ ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny,