Bokin'ny Eksodosy 7:13
Dia nihamafy ny fon’ i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, araka izay efa nolazain’ i Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And he hardened Pharaoh’s heart, that he hearkened not unto them; as the LORD had said.
In Context
14Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Efa mafy ny fon’ i Farao, ka mandà tsy handefa ny olona izy.
Read all of Bokin'ny Eksodosy 7
Cross References
Exodus 4:21Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Raha mandeha miverina ho any Egypta ianao, indreo ireo fahagagana rehetra ireo, izay nataoko eo an-tananao, dia ataovy eo anatrehan’ i Farao; ary Izaho hanamafy ny fony, ka tsy handefa ny olona izy.
Exodus 7:22Ary ny ombiasy teo Egypta, dia mba nanao toy izany koa tamin’ ny fankatovany; ka dia nihamafy ny fon’ i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, araka izay efa nolazain’ i Jehovah.
Exodus 8:15Dia hoy ny ombiasy tamin’ i Farao: Rantsan-tànan’ Andriamanitra ity; nefa nihamafy ny fon’ i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, dia araka izay efa nolazain’ i Jehovah.
Exodus 9:7Dia naniraka Farao, ka, indro, tsy mba nisy maty ny bibin’ ny Zanak’ Isiraely na dia iray akory aza, nefa nihamafy ny fon’ i Farao, ka tsy nandefa ny olona izy.
Exodus 10:1Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Mankanesa ao amin’ i Farao; fa Izaho efa nanamafy ny fony sy ny fon’ ny mpanompony, mba hanehoako izao famantarako izao eo aminy;
Exodus 10:27Ary Jehovah dia nanamafy ny fon’ i Farao, ka tsy nety nandefa azy izy.