Bokin'ny Eksodosy 18:1
Ary efa ren’ i Jetro, mpisorona tao Midiana, rafozan’ i Mosesy, izay rehetra nataon’ Andriamanitra ho an’ i Mosesy sy ny Isiraely olony, dia ny nitondran’ i Jehovah ny Isiraely nivoaka avy tany Egypta.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
2Dia nentin’ i Jetro, rafozan’ i Mosesy, Zipora, vadin’ i Mosesy, rehefa nampivereniny izy,
Read all of Bokin'ny Eksodosy 18
Cross References
Exodus 2:16Ary ny mpisorona tao Midiana nanana zanaka fito mirahavavy; ary avy izy ireo, dia nanovo rano ka nameno ny tavin-drano hampisotroany ny ondry aman’ osin-drainy.
Exodus 2:21Ary sitrak’ i Mosesy ny hitoetra tao amin-dralehilahy. Ary Zipora zananivavy dia nomeny ho vadin’ i Mosesy.
Exodus 4:18Dia lasa nandeha Mosesy ka niverina ho any amin’ i Jetro rafozany ka nanao taminy hoe: Masìna ianao, aoka aho handeha hiverina ho any amin’ ny rahalahiko, izay any Egypta, ka hizaha na mbola velona ihany izy, na tsia. Ary hoy Jetro tamin’ i Mosesy: Mandehana soa aman-tsara.
Numbers 10:29Dia hoy Mosesy tamin’ i Hobaba, zanak’ i Regoela Midianita, rafozan’ i Mosesy: Izahay izao dia mandeha hankany amin’ ny tany izay nolazain’ i Jehovah hoe: Homeko anareo izy; andeha hiaraka aminay ianao, dia hasianay soa; fa Jehovah efa nilaza soa ny amin’ ny Isiraely.
Joshua 9:9Dia hoy izy ireo taminy: Avy tany an-tany lavitra indrindra izahay mpanomponao noho ny anaran’ i Jehovah Andriamanitrao; fa efa renay ny lazany sy izay rehetra nataony tany Egypta
Judges 4:11Ary Hebera Kenita efa nisaraka tamin’ ny Kenita izay avy amin’ ny taranak’ i Hobaba, zaodahin’ i Mosesy, ary nilasy ambara-pahatongany teo amin’ ny hazo terebinta ao Zananima, izay eo anilan’ i Kadesy.