Exodus 18:21
Ary mizaha eo amin’ ny olona rehetra izay lehilahy mahay sy matahotra an’ Andriamanitra, dia lehilahy marina izay tsy tia kolikoly; ka manendre mpifehy arivo sy mpifehy zato sy mpifehy dimam-polo ary mpifehy folo hifehy azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
20ary hampianatra azy ny didy sy ny lalàna izay mety halehany sy ny asa izay mety hataony.
Cross References
Genesis 42:18Ary nony tamin’ ny andro fahatelo dia hoy Josefa taminy: Izao no ataovy, dia ho velona ianareo; fa izaho matahotra an’ Andriamanitra:
Exodus 18:25Dia nofidin’ i Mosesy izay lehilahy mahay tamin’ ny Isiraely rehetra ka nataony lohan’ ny olona hanapaka azy, dia ho mpifehy arivo sy ho mpifehy zato sy ho mpifehy dimam-polo ary ho mpifehy folo.
Numbers 10:4Fa raha ny iray ihany no tsofina, dia ny lohan’ ny firenena, izay mpifehy arivo amin’ ny Isiraely, ihany no hivory eo aminao.
Deuteronomy 1:15Ary nalaiko ny lohan’ ny firenenareo, dia olona hendry sady hita toetra, ka nataoko mpifehy anareo, dia mpifehy arivo sy mpifehy zato sy mpifehy dimam-polo sy mpifehy folo ary mpitondra vahoaka amin’ ny firenenareo.
Joshua 22:14sy loholona folo lahy koa niaraka taminy, dia loholona iray isam-pirenena tamin’ ny Isiraely rehetra: samy lohan’ ny fianakaviany tamin’ ny arivon’ ny Isiraely ireo.
1 Samuel 8:12ary hotendreny ho mpifehy arivo sy ho mpifehy dimam-polo, ary hiasa ny taniny sy hijinja ny vokany ary hanao ny fiadiany sy ny fanaka momba ny kalesiny;