Exodus 21:18
Ary raha misy olona mifanditra, ka ny anankiray mamely ny namany amin’ ny vato, na amin’ ny totohondry, koa tsy maty izy, fa marary ambany tsihy,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
17Ary izay manozona ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa.
Cross References
Exodus 2:13Ary nony ampitson’ iny, dia nivoaka indray izy, ary, indreo, nisy Hebreo roa lahy niady; dia hoy izy tamin’ ilay diso: Nahoana no mamono ny namanao ianao?
Exodus 21:22Ary raha misy olona mifanditra ka mandratra vehivavy manan’ anaka, ka teraka tsy tonga volana ny zanany, kanefa tsy misy maninona, dia hosazina tokoa ilay olona araka izay hanaovan’ ny vadin-dravehivavy azy; ary handoa araka izay handidian’ ny mpitsara izy.
Numbers 35:17Ary raha misy mamely vato olona ka mahafaty, dia nahafaty olona izy; hatao maty tokoa izay nahafaty olona.
2 Samuel 14:6Ary izaho mpanompovavinao nanan-janaka roa lahy, ary nifanditra tany an-tsaha izy mirahalahy, ka tsy nisy nampisaraka azy, ary ny anankiray namely ny rahalahiny ka nahafaty azy.