Exodus 38:21
Ary izao no isan’ ny zavatra nomba ny tabernakely, dia ny tabernakelin’ ny Vavolombelona, izay nisaina araka ny didin’ i Mosesy; natao fanompoan’ ny Levita, fehin’ Itamara, zanak’ i Arona mpisorona, ny nanisa azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
20Ary ny tsimatra amin’ ny tabernakely sy amin’ ny kianja manodidina dia nataony varahina avokoa.
Cross References
Exodus 25:16Ary ataovy ao anatin’ ny fiara ny Vavolombelona izay homeko anao.
Exodus 40:3Ary ataovy ao ny fiaran’ ny Vavolombelona; dia ahantòny ny efitra lamba hanakona ny fiara.
Numbers 1:53Fa ny Levita kosa hitoby manodidina ny tabernakelin’ ny Vavolombelona, mba tsy hisy fahatezerana hahatratra ny fiangonan’ ny Zanak’ Isiraely; ary ny Levita hitandrina ny anjara raharaha momba ny tabernakelin’ ny Vavolombelona.
Numbers 4:33Izany no ho fanompoan’ ny fokon’ ny taranak’ i Merary, araka ny fanompoany rehetra ao amin’ ny trano-lay fihaonana, ary Itamara, zanak’ i Arona mpisorona, no ho mpifehy azy.
Numbers 10:11Ary tamin’ ny andro faharoa-polo tamin’ ny volana faharoa, tamin’ ny taona faharoa, no niakaran’ ny rahona niala teo ambonin’ ny tabernakelin’ ny Vavolombelona.
Numbers 18:2Ary ny rahalahinao avy amin’ ny firenen’ i Levy izay firenen’ ny razanao koa dia ento miaraka aminao, mba hikambana aminao izy ka hanompo anao; fa ianao sy ny zanakao ho eo anoloan’ ny trano-lain’ ny Vavolombelona.