Exodus 39:8
Ary nanao ny saron-tratra tamin’ ny asan’ ny mpanenona mahay izy, tahaka ny nanaovana ny efoda, dia volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 28:4Ary izao no fitafiana izay hataony: saron-tratra sy efoda sy akanjo ivelany sy akanjo lava tenom-boaroy sy hamama ary fehin-kibo; dia hanao fitafiana masìna ho an’ i Arona rahalahinao izy, sy ho an’ ny zanany, mba ho mpisorona ho Ahy izy.
Exodus 28:15Ary manaova saron-tratra fitsarana, ka asan’ ny mpanenona mahay, toy ny nanaovana ny efoda, no hanaovanao azy; volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina no hanaovanao azy.
Psalms 89:28Ary Izaho kosa hanao azy ho lahimatoa, Ambony indrindra amin’ ny mpanjakan’ ny tany.
Ephesians 6:14Mifahara ary, ka sikino fahamarinana ny valahanareo, ary mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra,