Bokin'i Ezekiela 1:13
Ary tahaka ny vainafo mirehitra ny fijery ny zava-manan’ aina, dia tahaka ny fijery ny fanilo; nivoivoy teny anelanelan’ ny zava-manan’ aina ny afo; ary namirapiratra ny afo, sady nisy helatra nivoaka avy tao aminy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
14Ary ny zava-manan’ aina nifanaresaka nankary nankatsy toy ny helatra mifelopeloka.
Read all of Bokin'i Ezekiela 1
Cross References
Genesis 15:17Ary rehefa maty ny masoandro, ka maizina dia maizina ny andro, dia, indro, nisy fatana fandoroana mivoa-tsetroka sy fanilo mirehitra, izay nandeha namaky teo anelanelan’ ireo zavatra voasasaka ireo.
Ezekiel 1:7Ary mahitsy ny tongony; ary ny faladiany dia tahaka ny faladian’ ny ombilahy kely; ary mamirapiratra toy ny volon’ ny varahina manganohano izy.
Matthew 28:3Ary ny fijery azy dia tahaka ny helatra, ary ny fitafiany fotsy tahaka ny oram-panala;
Revelation 10:1Ary hitako fa, indro, nisy anjely mahery anankiray koa, nidina ary tany an-danitra sady nitafy rahona; ary ny avana dia teo amin’ ny lohany, ary ny tavany dia tahaka ny masoandro, ary ny tongony tahaka ny andry afo,