Bokin'i Ezekiela 1:24
Ary raha nandeha izy, dia nahare ny fikopakopaky ny elany aho, toy ny firohondrohon’ ny rano be, dia tahaka ny feon’ ny Tsitoha, dia feo toy ny fireondreon’ ny miaramila mitoby;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 1
Cross References
2 Kings 7:6Fa Jehovah efa nampandre ny miaramilan’ ny Syriana ny fikodiadian-kalesy sy ny fandehan’ ny soavaly, dia ny firodondrodon’ ny miaramila be; ary niresaka hoe izy: Injao, fa ny mpanjakan’ ny Isiraely efa nanamby ny mpanjakan’ ny Hetita sy ny mpanjakan’ ny Egyptiana hiady amintsika.
Job 37:4Manarakaraka izany, dia misy feo mirohondrohona; Mampikotrokotroka ny feon’ ny fahalehibiazany Izy, ka rehefa re ny feony, dia tsy sakanany ny helatra.
Psalms 29:3Ny feon’ i Jehovah no eny ambonin’ ny rano be; Andriamanitry ny voninahitra no mampikotrokorana; Jehovah no eny ambonin’ ny rano be.
Ezekiel 3:13Ary reko koa ny fikopakopaky ny elatry ny zava-manan’ aina, izay nifanendry, sy ny fidilodilotry ny kodia teo anilany sy ny horakoraka be.
Ezekiel 43:2Ary, indro, tamy ny voninahitr’ Andriamanitry ny Isiraely avy tany atsinanana; ary ny feony dia tahaka ny firohondrohon’ ny rano be; ary ny tany dia namirapiratra azon’ ny voninahiny.
Revelation 1:15ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano, hoatra ilay voadio teo amin’ ny fandrendrehana iny; ary ny feony toy ny firohondrohon’ ny rano be.