Bokin'i Ezekiela 43:2
Ary, indro, tamy ny voninahitr’ Andriamanitry ny Isiraely avy tany atsinanana; ary ny feony dia tahaka ny firohondrohon’ ny rano be; ary ny tany dia namirapiratra azon’ ny voninahiny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
1Ary nentiny ho any amin’ ny vavahady aho, dia ilay vavahady manatrika ny atsinanana.
Read all of Bokin'i Ezekiela 43
Cross References
Isaiah 6:3Ary nanandratra ny feony izy ka nifamaly hoe: Masìna, masìna, masìna Jehovah, Tompon’ ny maro; Henika ny voninahiny ny tany rehetra.
Ezekiel 1:24Ary raha nandeha izy, dia nahare ny fikopakopaky ny elany aho, toy ny firohondrohon’ ny rano be, dia tahaka ny feon’ ny Tsitoha, dia feo toy ny fireondreon’ ny miaramila mitoby;
Ezekiel 3:23Dia nitsangana aho ka nivoaka nankany amin’ ny lohasaha; ary, indro, nitoetra teo ny voninahitr’ i Jehovah tahaka ny voninahitra izay efa hitako teo amoron’ ny ony Kebara ihany dia nikarapoka nihohoka aho.
Ezekiel 10:4Dia niakatra niala teo amin’ ny kerobima ny voninahitr’ i Jehovah ho eo amin’ ny tokonam-baravaran’ ny trano; ary feno ilay rahona ny trano, ary ny kianja dia feno ny famirapiratan’ ny voninahitr’ i Jehovah.
Ezekiel 11:23Ary ny voninahitr’ i Jehovah niakatra niala tao amin’ ny tanàna ka nijanona teo an-tampon’ ny tendrombohitra atsinanan’ ny tanàna.
Habakkuk 3:3Tamy avy any Temana Andriamanitra, Dia ny iray Masìna avy any an-tendrombohitra Parana. [Sela.] Manarona ny lanitra ny voninahiny, Ary manenika ny tany ny fiderana Azy.