Bokin'i Ezekiela 1:3
dia tonga tamin’ i Ezekiela mpisorona, zanak’ i Bozy, ny tenin’ i Jehovah tany amin’ ny tanin’ ny Kaldeana, teo amoron’ ny ony Kebara; ary ny tànan’ i Jehovah dia taminy teo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 1
Cross References
2 Kings 3:15Nefa itondray mpitendry lokanga aho. Ary rehefa nitendry ilay mpitendry lokanga, dia nanindry an’ i Elisa ny tànan’ i Jehovah.
Jeremiah 1:2izay nanambarana ny tenin’ i Jehovah tamin’ ny andron’ i Josia, zanak’ i Amona, mpanjakan’ ny Joda, tamin’ ny taona fahatelo ambin’ ny folo nanjakany,
Jeremiah 29:15Fa hoy ianareo: Jehovah nanangana mpaminany ho anay eto Babylona.
Ezekiel 3:14Ary nisy fanahy nanainga ahy ka nitondra ahy, dia lasa aho sady nirehitra tamin’ ny fahavontosan’ ny fanahiko; ary ny tànan’ i Jehovah dia nahery tao amiko.
Ezekiel 3:22Ary ny tànan’ i Jehovah dia tamiko, ary hoy Izy tamiko: Mitsangàna, ka mivoaha ho any amin’ ny lohasaha, ary any no hitenenako aminao.
Ezekiel 8:1Ary tamin’ ny andro fahadimy tamin’ ny volana fahenina tamin’ ny taona fahenina, raha nipetraka tao an-tranoko aho, ary nipetraka teo anatrehako ny loholon’ ny Joda, dia nilatsaka tamiko ny tànan’ i Jehovah Tompo.