Bokin'i Ezekiela 3:14
Ary nisy fanahy nanainga ahy ka nitondra ahy, dia lasa aho sady nirehitra tamin’ ny fahavontosan’ ny fanahiko; ary ny tànan’ i Jehovah dia nahery tao amiko.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 3
Cross References
1 Kings 18:12Nefa raha vao miala aminao aho, dia ho entin’ ny Fanahin’ i Jehovah any amin’ izay tsy fantatro ianao; koa raha tonga aho ka milaza amin’ i Ahaba, nefa tsy ho hitany ianao tsinona, dia hovonoiny aho; kanefa izaho mpanomponao matahotra an’ i Jehovah hatry ny fony mbola kely.
2 Kings 2:16Dia hoy ireo taminy: Indro, misy dimam-polo lahy matanjaka ato amin’ ny mpanomponao; masìna ianao, aoka handeha hitady ny tomponao ireo, fandrao naingain’ ny Fanahin’ i Jehovah izy ka nazerany any an-tendrombohitra anankiray, na any an-dohasaha anankiray. Fa hoy izy: Aza maniraka ianareo.
Isaiah 8:11Fa izao no nolazain’ i Jehovah tamiko, raha nanindry ahy mafy ny tànany, Ka nanariny tsy handeha amin’ ny falehan’ ity firenena ity aho:
Jeremiah 20:7Jehovah ô, notaominao aho ka voataona; Nosamborinao aho ka resinao; Tonga fihomehezana mandritra ny andro aho; Izy rehetra dia maneso ahy.
Ezekiel 1:3dia tonga tamin’ i Ezekiela mpisorona, zanak’ i Bozy, ny tenin’ i Jehovah tany amin’ ny tanin’ ny Kaldeana, teo amoron’ ny ony Kebara; ary ny tànan’ i Jehovah dia taminy teo.
Ezekiel 8:1Ary tamin’ ny andro fahadimy tamin’ ny volana fahenina tamin’ ny taona fahenina, raha nipetraka tao an-tranoko aho, ary nipetraka teo anatrehako ny loholon’ ny Joda, dia nilatsaka tamiko ny tànan’ i Jehovah Tompo.