Bokin'i Ezekiela 11:20
mba handehanany araka ny didiko sy hitandremany ny fitsipiko ka hanarahany izany, ary izy dia ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 11
Cross References
Deuteronomy 30:6Dia hoforan’ i Jehovah Andriamanitrao ny fonao sy ny fon’ ny taranakao hitiavanao an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, mba ho velona ianao.
Psalms 119:4Hianao namoaka ny didinao Mba hotandremana tsara.
Jeremiah 11:4Izay nandidiako ny razanareo tamin’ ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, dia avy tao amin’ ny memy fandrendreham-by, ka nanaovako hoe: Mihainoa ny feoko, ary mankatoava ireny araka izay rehetra andidiako anareo, dia ho oloko ianareo, ary Izaho kosa ho Andriamanitrareo,
Jeremiah 24:7Ary homeko fo hahalalany Ahy ho Jehovah izy; dia ho oloko izy, ary Izaho kosa ho Andriamaniny; fa hiverina amiko amin’ ny fony rehetra izy.
Jeremiah 31:33Fa izao no fanekena havoko amin’ ny taranak’ Isiraely. Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony; Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko.
Jeremiah 32:39Dia homeko fo iray sy lalana iray izy, mba hatahorany Ahy lalandava hahasoa azy sy ny zanany mandimby azy;