Bokin'ny Salamo 119:4
Hianao namoaka ny didinao Mba hotandremana tsara.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Thou hast commanded us to keep thy precepts diligently.
In Context
3Eny, Izay tsy manao ratsy. Fa mandeha araka ny lalany.
5Enga anie ka ho tafatoetra ny lalako Hitandremako ny didinao!
Read all of Bokin'ny Salamo 119
Cross References
Exodus 7:6Dia nataon’ i Mosesy sy Arona izany: araka izay nandidian’ i Jehovah azy no nataony.
Deuteronomy 4:9Kanefa kosa mitandrema ianao, ka tandremo tsara ny fanahinao, fandrao hadinoinao ny zavatra izay efa hitan’ ny masonao, ary andrao miala amin’ ny fonao izany, amin’ ny andro rehetra hiainanao, fa ampahafantaro ny zanakao sy ny zafinao izany,
Deuteronomy 6:3Koa mihainoa, ry Isiraely, ka mitandrema hanaraka izany, mba hahita soa ianao, ary mba hitomboanareo indrindra, araka izay nolazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanao, taminao, dia any amin’ ny tany tondra-dronono sy tantely.
Deuteronomy 11:13Ary raha hihaino tsara ny didiko izay andidiako anareo anio ianareo ka ho tia an’ i Jehovah Andriamanitrareo sy hanompo Azy amin’ ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra,
Deuteronomy 30:16tamin’ ny nandidiako anao androany ho tia an’ i Jehovah Andriamanitrao ka handeha amin’ ny lalany ary hitandrina ny didiny sy ny lalàny ary ny fitsipiny, mba ho velona ianao ka hihamaro, ary mba hitahian’ i Jehovah Andriamanitrao anao any amin’ ny tany izay efa hidiranao holovana.