Bokin'i Ezekiela 16:26
Hianao efa nijangajanga tamin’ ny zanak’ i Egypta be nofo izay mifanila fonenana aminao; ary nampitomboinao ny fijangajanganao ka nampahatezitra Ahy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 16
Cross References
Exodus 32:4Ary izy nandray azy tamin’ ny tanan’ ny olona, dia namboatra azy tamin’ ny fandraka ka nanao azy ho ombilahy kely an-idina; dia niteny ny olona ka nanao hoe: Io no andriamanitrao, ry Isiraely, izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta.
Deuteronomy 29:16ary efa hitanareo ny fahavetavetany sy ny sampiny hazo sy vato sy volafotsy ary volamena, izay teo aminy;
1 Kings 12:28Dia nihevitra ny mpanjaka ka nanao ombilahy kely volamena roa; ary hoy izy tamin’ ny olona: “Aoka izay ny fiakaranareo any Jerosalema! Ry Isiraely ô” indreo ny andriamanitrao, izay nitondra anao nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta.
Jeremiah 7:18Ny zaza manangon-kitay, ny ray mandrehitra afo, ary ny vehivavy mametafeta ny koba hatao mofo ho an’ ny mpanjakavavin’ ny lanitra sy hanidinana fanatitra aidina ho an’ ny andriamani-kafa mba hampahasosotra Ahy.
Ezekiel 8:14Dia nentiny ho eo anoloan’ ny vavahadin’ ny tranon’ i Jehovah, izay manatrika ny avaratra aho; ary, indreo, nisy vehivavy nipetraka teo, nitomany an’ i Tamoza.
Ezekiel 20:7dia hoy Izaho taminy: Samia manary ny fahavetavetan’ ny masonareo avy ianareo, ary aza mandoto tena amin’ ny sampin’ i Egypta; Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.