The Bible Software
bible.software › Bokin'i Ezekiela › Bokin'i Ezekiela 16 › Bokin'i Ezekiela 16:3

Bokin'i Ezekiela 16:3

ka ataovy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo amin’ i Jerosalema: Ny tany Kanana no nahaterahanao sy nahabe anao; Amorita no rainao, ary Hetita no reninao.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And say, Thus saith the Lord GOD unto Jerusalem; Thy birth and thy nativity is of the land of Canaan; thy father was an Amorite, and thy mother an Hittite.

In Context

2Ry zanak’ olona, ampahafantaro an’ i Jerosalema ny fahavetavetany,

4Ary ny amin’ ny nahaterahanao, dia tsy voatapaka akory ny tadim-poitrao tamin’ ny andro nahaterahanao, ary tsy voampandro tamin’ ny rano ianao, na voahosotra sira, na voahodidina lamban-jaza akory.

Read all of Bokin'i Ezekiela 16

Cross References

Genesis 11:29Ary Abrama sy Nahora dia samy naka vady ho azy: ny anaran’ ny vadin’ i Abrama dia Saray; ary ny anaran’ ny vadin’ i Nahora dia Milka, zanakavavin’ i Harana, rain’ i Milka sy rain’ Iska.

Deuteronomy 7:1Rehefa entin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ka tafiditra any amin’ ny tany izay efa hidiranao holovana, ary firenena maro no voaroakany hiala eo anoloanao, dia ny Hetita sy ny Girgasita sy ny Amorita sy ny Kananita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, dia firenena fito izay lehibe sy mahery noho ianao.

Joshua 24:14Koa ankehitriny, matahora an’ i Jehovah, ka manompoa Azy amin’ ny fahitsiana sy ny fahamarinana; ary ario ny andriamanitra izay notompoin’ ny razanareo tany an-dafin’ ny Ony sy tany Egypta, ka manompoa an’ i Jehovah.

2 Kings 21:11Satria Manase, mpanjakan’ ny Joda, nanao izao fahavetavetana izao ka nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra nataon’ ny Amorita izay teo alohany sady nampanota ny Joda tamin’ ny sampiny,

Nehemiah 9:7Hianao no Jehovah Andriamanitra, Izay nifidy an’ i Abrama ka nitondra azy nivoaka avy tany Oran’ ny Kaldeana sady nanao ny anarany hoe Abrahama;

Isaiah 43:27Ny razambenao voalohany indrindra dia efa nanota, ary ireny mpanalalana aminao efa niodina tamiko,

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Ezekiela 16:3

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Ezekiela 16:2Bokin'i Ezekiela 16Bokin'i Ezekiela 16:4 →