Bokin'i Ezekiela 16:4
Ary ny amin’ ny nahaterahanao, dia tsy voatapaka akory ny tadim-poitrao tamin’ ny andro nahaterahanao, ary tsy voampandro tamin’ ny rano ianao, na voahosotra sira, na voahodidina lamban-jaza akory.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 16
Cross References
Genesis 15:13Ary hoy Jehovah tamin’ i Abrama: Aoka ho fantatrao marina fa ho vahiny any amin’ ny tany izay tsy azy ny taranakao ary hanompo ny olona any; ary hampahoriny efa-jato taona izy.
Exodus 2:23Ary tao anatin’ izany andro maro izany dia maty ny mpanjakan’ i Egypta; ary ny Zanak’ Isiraely nisento noho ny fanompoany ka nitaraina; ary niakatra tany amin’ Andriamanitra ny fitarainany noho ny fanompoany.
Deuteronomy 5:6Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, tamin’ ny trano nahandevozana.
Joshua 24:2Ary hoy Josoa tamin’ ny vahoaka rehetra: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Tany an-dafin’ ny Ony no nonenan’ ny razanareo tany aloha, dia Tera, rain’ i Abrahama sy Nahora; ary nanompo andriamani-kafa izy.
Lamentations 2:20Jehovah ô, jereo ka izahao ny amin’ ny olona izay nanaovanao izany. Ny vehivavy va hihinana ny ateraky na kibony, dia ny zanany madinika trotroiny? Hovonoina ao amin’ ny fitoera-masin’ i Jehovah va ny mpisorona sy ny mpaminany?
Ezekiel 20:8Nefa niodina tamiko izy ka tsy nety nihaino Ahy; samy tsy nanary ny fahavetavetan’ ny masony na nahafoy ny sampin’ i Egypta, ka dia hoy Izaho: Haidiko aminy ny fahavinirako, ary hotanterahiko aminy eo amin’ ny tany Egypta ny fahatezerako.