Bokin'i Ezekiela 16:8
Ary raha nandalo Aho ka nijery anao, dia hitako fa izay no fotoanao, dia ny fotoam-pitiavana: ary narakotro anao ny lambako, ka nosaronako ny fitanjahanao; eny, nianiana taminao Aho ka nanao fanekena taminao, hoy Jehovah Tompo, ka dia efa Ahy ianao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
9Dia nampandroiko rano ianao, eny, nosasako tsara ho afaka tamin’ ny rànao, dia nohosorako diloilo.
Read all of Bokin'i Ezekiela 16
Cross References
Exodus 15:16Mahazo azy ny tahotra sy ny hovitra; Noho ny halehiben’ ny sandrinao dia mangìna tahaka ny vato izy, mandra-pandalon’ ny olonao, Jehovah ô, mandra-pandalon’ny olona izay navotanao.
Exodus 24:1Ary hoy Izy tamin’ i Mosesy: Miakara ao amin’ i Jehovah ianao sy Arona sy Nadaba sy Abiho ary fito-polo lahy amin’ ny loholon’ ny Isiraely; ka miankohofa eny lavitra eny ianareo;
Exodus 32:13Tsarovy Abrahama sy Isaka ary Isiraely mpanomponao, izay nianiananao tamin’ ny tenanao sy nilazanao hoe: Hahamaro ny taranakareo Aho ho tahaka ny kintana eny amin’ ny lanitra; ary izany tany rehetra nolazaiko izany dia homeko ny taranakareo, ary izy handova izany mandrakizay.
Deuteronomy 7:6Fa firenena masìna ho an’ i Jehovah Andriamanitrao ianao; fa ianao efa nofidin’ i Jehovah Andriamanitrao ho firenena rakitra soa ho Azy mihoatra noho ny firenena rehetra ambonin’ ny tany.
1 Samuel 12:22Fa Jehovah tsy hahafoy ny olony noho ny anarany lehibe, satria sitrak’ i Jehovah ny nanaovany anareo ho olony.
Isaiah 43:1Fa ankehitriny, ry Jakoba ô, izao no lazain’ i Jehovah, Izay nahary anao sady namorona anao, ry Isiraely ô: Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho; Efa niantso ny anaranao Aho, Ahy ianao.