Bokin'ny Eksodosy 32:13
Tsarovy Abrahama sy Isaka ary Isiraely mpanomponao, izay nianiananao tamin’ ny tenanao sy nilazanao hoe: Hahamaro ny taranakareo Aho ho tahaka ny kintana eny amin’ ny lanitra; ary izany tany rehetra nolazaiko izany dia homeko ny taranakareo, ary izy handova izany mandrakizay.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
14Ary Jehovah dia nanenina ny amin’ ny loza izay nokasainy hamelezana ny olony.
Read all of Bokin'ny Eksodosy 32
Cross References
Genesis 12:7Ary Jehovah niseho tamin’ i Abrama ka nanao hoe: Ny taranakao no homeko ity tany ity. Dia nanorina alitara teo izy ho an’ i Jehovah Izay niseho taminy.
Genesis 15:5Dia nitondra azy nivoaka teo ivelan’ ny lay Izy ka nanao hoe: Jereo ange ny lanitra, ka isao ny kintana, raha mahisa azy ianao. Dia hoy Izy taminy: Ho tahaka izany ny taranakao.
Genesis 15:18Tamin’ izany andro izany Jehovah nanao fanekena tamin’ i Abrama ka nanao hoe: Ny taranakao efa nomeko ity tany ity hatrany amin’ ny onin’ i Egypta ka hatrany amin’ ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata,
Genesis 22:16ka nanao hoe: Ny tenako no nianianako, hoy Jehovah: Satria nanao izany zavatra izany ianao ka tsy niaro ny zanakao, ilay lahitokanao,
Genesis 26:3Mivahinia eto amin’ ity tany ity ianao, dia homba anao sy hitahy anao Aho; fa ianao sy ny taranakao no homeko ireto tany rehetra ireto, ka hotoviko ny fianianana izay nataoko tamin’ i Abrahama rainao;
Genesis 28:14ary ny taranakao ho be tahaka ny vovoka amin’ ny tany; dia hiely any andrefana sy any atsinanana ary any avaratra sy any atsimo ianao; ary aminao sy ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ ny tany.