Bokin'i Ezekiela 18:24
Fa raha ny marina no miala amin’ ny fahamarinany ka manao meloka ary manaraka ny fahavetavetana rehetra izay nataon’ ny ratsy fanahy, ho velona va izy? Ny fahamarinany rehetra izay nataony dia tsy hotsarovana; noho ny fahadisoana izay nandisoany sy ny fahotana izay nanotany dia ho faty izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 18
Cross References
1 Samuel 15:11Manenina Aho noho ny nanaovako an’ i Saoly ho mpanjaka, fa niala tamin’ ny fanarahana Ahy izy ka tsy nahatanteraka ny teniko. Dia tezitra Samoela ka nitaraina tamin’ i Jehovah mandritra ny alina.
2 Chronicles 24:17Ary rehefa maty Joiada, dia avy Ireo mpanapaka ny Joda ka niankohoka teo anatrehan’ ny mpanjaka. Dia nihaino azy ny mpanjaka.
Psalms 125:5Fa izay mivily ho amin’ ny sakeli-dalana mivilivily Dia horoahin’ i Jehovah miaraka amin’ ny mpanao ratsy anie. Fiadanana anie ho amin’ ny Isiraely.
Proverbs 21:16Ny olona izay mivily miala amin’ ny lalan’ ny fahendrena Dia hitoetra ao amin’ ny fivorian’ ny fanahin’ ny maty.
Ezekiel 18:10Fa raha miteraka zazalahy mpanao an-keriny sy mpandatsa-drà izy, ka manao na dia iray ihany amin’ ireo zavatra ireo aza iny
Ezekiel 18:22Ny fahadisoany rehetra izay nataony tsy hotsarovana aminy intsony; ho velona izy noho ny fahamarinana izay nataony.