Bokin'i Ezekiela 18:6
fa tsy mihinana eny an-tendrombohitra, na manandratra ny masony ho amin’ ny sampin’ ny taranak’ Isiraely, na mandoto ny vadin’ ny namany, na manakaiky ny vehivavy izay mararin’ ny fadim-bolana,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
5Fa raha marina ny olona ka manao izay marina sy mahitsy,
Read all of Bokin'i Ezekiela 18
Cross References
Leviticus 18:19Ary aza mila vehivavy mararin’ ny fadim-bolany handry aminy.
Leviticus 20:10Ary ny lehilahy mijangajanga amin’ ny vadin’ olona, dia izay mijangajanga amin’ ny vadin’ ny namany, hatao maty tokoa, na ny mila, na ny ilainy.
Numbers 25:2Fa ireo nanasa ny olona hihinana tamin’ ny zavatra novonoiny ho fanatitra ho an’ ny andriamaniny, ka nihinana ny olona sady niankohoka tamin’ ny andriamaniny.
Deuteronomy 22:22Raha misy lehilahy azo mandry amim-behivavy vadin’ olona, dia samy hatao maty izy roroa, na ralehilahy izay nandry tamin-dravehivavy, na ravehivavy koa; ka dia hofongoranao tsy ho eo amin’ ny Isiraely ny fanao ratsy.
Psalms 123:1Fihirana fiakarana. Aminao no anandratako ny masoko, Ry Mpitoetra any an-danitra ô.
Ezekiel 6:13Dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, Rehefa miampatrampatra eny amin’ ny sampy manodidina ny alitarany ny voavono ao aminy, eny amin’ ny havoana andrandraina rehetra, eny amin’ ny tendrombohitra rehetra sy eny ambanin’ ny hazo maitso rehetra sy eny ambanin’ ny terebinta misandrahaka rehetra, dia eny amin’ izay efa nanaterany hanitra ankasitrahana tamin’ ny sampiny rehetra;