Bokin'i Ezekiela 20:1
Ary tamin’ ny andro fahafolo tamin’ ny volana fahadimy tamin’ ny taona fahafito dia nisy tonga ny loholon’ ny Isiraely mba hanontany amin’ i Jehovah, ka nipetraka teo anatrehako izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
2Dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Read all of Bokin'i Ezekiela 20
Cross References
1 Kings 22:15Dia nankany amin’ ny mpanjaka izy. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ry Mikaia, handeha hanafika an’ i Ramota-gileada va isika, sa hijanona ihany? Ary izy namaly azy hoe: Mandehana, fa hambinina ianao, fa hatolotr’ i Jehovah eo an-tananao izy, ry mpanjaka.
Isaiah 29:13Ary hoy ny Tompo: Satria manatona Ahy amin’ ny vavany ity firenena ity ary mankalaza Ahy amin’ ny molony, nefa ampanalaviriny Ahy kosa ny fony, ka ny fahatahorany Ahy dia didin’ olombelona ampianarina azy ihany,
Jeremiah 37:17dia naniraka haka azy Zedekia mpanjaka; ary ny mpanjaka nanontany azy mangingina tao an-tranony nanao hoe: Moa misy teny avy tamin’ i Jehovah tokoa va? Dia hoy Jeremia: Eny, misy; ary hoy koa izy: Hatolotra eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Babylona ianao.
Ezekiel 8:1Ary tamin’ ny andro fahadimy tamin’ ny volana fahenina tamin’ ny taona fahenina, raha nipetraka tao an-tranoko aho, ary nipetraka teo anatrehako ny loholon’ ny Joda, dia nilatsaka tamiko ny tànan’ i Jehovah Tompo.
Ezekiel 24:1Ary tamin’ ny andro fahafolo tamin’ ny volana fahafolo tamin’ ny taona fahasivy dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Ezekiel 29:1Tamin’ ny andro faharoa ambin’ ny folo tamin’ ny volana fahafolo tamin’ ny taona fahafolo dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe: